Dossier

Faritra arovana eto Madagasikara Ho sahanina raim-pianakaviana miisa 15.000


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Maro ireo faritra arovana eto Madagasikara no potika tsy fidiny vokatry ny fitrandrahana azy, raha ny fanazavan’ny tale miandraikitra izany eto amintsika, Gérard Rambeloson, tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.

 
Misy amin’ireo zava-manan’aina mivelona ao anatin’izy ireny toy ny Varika no misy mihaza sy mihinana kanefa dia isika eto Madagasikara ihany no manana azy ary tapitra tapahan’ireo mpanao saribao ihany koa ny hazo. Mba ho fiarovana azy ireny ary dia  hanome foto-pivelomana vaovao ireo raim-pianakaviana miisa 15.000 nivelona tamin’izany hatramin’izay ny Madagascar National Parks sy ny WCS ary ny Conservation International. Mitentina 2,7 tapitrisa dôlara ny vola hatokana amin’izany ao anatin’ny 2 taona, raha ny fanazavana hatrany. Misy ireo hisehatra ranofotsiny amin’ny fiompiana kisoa, akoho amam-borona ary trondro raha misy ihany koa ireo hisehatra amin’ny fambolena. Ny hanabevoho izay fiarovana ny tontolo iainana izay moa no tanjona ary nanaiky ny hanaraka ny fiofanana sy hanao izay asa izay tokoa ireto fianakaviana ireto, raha ny voambara.

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT