Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.
Maro ireo olon-tsotra sy fikambanana ary mpandraharaha nandray anjara tamin’ny fivoriana izay nanaiky ny fanapahan-kevitra amin’io faritra io. Ambioka 2 taonina no efa voaangona ho an’ny faritra hanatanterahana ny tanjona famerenana ny ala fongotra. Taorian’ny atrikasa lehibe tao tolagnaro izay nanomboka tamin’ity volana ity mahakasika ny fambolena ireo hazo dia nodinihina ihany koa ny fepetra tsara apetraka mba handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fambolena ala. Anisan’izany ny famerenana indray ny karatra maitso amin’ny fambolen-kazo izay mitaky ny hambolen’ireo feno 18 taona no ho miakatra hazo. Izany no vahaolana aroson’ny avy ao amin’ny talem-paritry ny tontolo iaianana sy ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra Anosy hanatrarana ny famerenana ny ala anatin’ny dimy taona. Taorian’ny atrikasa lehibe nikaonan’ny avy amin’ny faritra telo dia Anosy, Atsimo Atsinannaa sy androy tao Tolagnaro dia hiroso amin’ny fanatanterahana avy hatrany ny paikadim-paritra ny ao Anosy, araka ny tatitr’ireo tompon’andraikitra
Tsirinasolo
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.