Dossier

Fanorenana sy asa vaventy Tsy ampy ny akora fototra ny hamokarana simenitra


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Mbola maro ny akora fototra hafarana any ivelany amin’ny fanamboarana ny simenitra hoy ny fanambaran’ny tompon’andraikitry eo anivon’ny Holcim,Patrick Rajaonarivelo.

 

 Anisan’izany ohatra ny vokatra Clinker izay misy any amin’ny faritra Imbity saingy tsy ampy mihitsy ary tsy mahasahana ny famokarana eto Madagasikara. Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny foibe Holcim ny vokatra vaovao Orimbato 42,5 izay hahafahana mahavita rihana 6 na 7 mihitsy mba ho fitsinjovana ny mpanjifa. Hatreto aloha dia eto Antananarivo sy Toamasina ihany no misy ny vokatra ary miezaka mitady ny fahafaham-pon’ny mpanjifa izy ireo. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa tsy tokony hatahorana ireo mpifaninana rehefa manana vokatra tsara sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tsiahivina mantsy fa manana ny fenitra ISO 9001 sy ISO 14001 ny vokatra Holcim Madagascar.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT