Dossier

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

 

 

Niha maro ihany koa ireo mpanondrana nahazo fankatoavana amin’ny fiotazana lavanila taona 2018-2019 raha ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary asa tanana. Na izany aza dia hita ho mbola maro ireo tsy fanaraham-penitra amin’ny fikirakirana sy ny fitehirizana ny vokatra. Mbola maro ihany koa ireo toeram-pivarotana tsy manana fankatoavana ny amin’ny famoahana ny vokatra, indrindra ireo any amin’ny saro-dalana. Izany indrindra no antony nahazoana fanohanana ara-teknika avy amin’ny tetikasa SADC-TRF entina hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny ny sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny fitehirizana entana eo anivon’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana. Hanamora ny fivezivezen’ireo mpiasa amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana ary hahafahan’izy ireo hanome ny fankatoavana amin’ny toeram-pivarotana amin’ity taom-piotazana ity no anton’ny  fampitaovana. Fa ankoatr’izay dia hohamafisina ny fanaraha-maso ny fitehirizana sy ny kalitaon’ireo vokatra lavanila haondrana mba hifanaraka tsara amin’ny fenitra takian’ny iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny minisitera.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT