Nihatsara hatrany ny fanondranana ny vokatry ny jirofo sy lavanila tanatin’ny 3 taona farany teto Madagasikara.
Voalohany hatrany i Madagasikara tamin’ny fanondranana ireo vokatra ireo raha ny tsena iraisam-pirenena no resahana. Ny lavanila dia manome 24,30% ary ny jirofo 7,8% tamin’ny fanondranana ankapobeny. Manome 52,4% sy 35,8% amin’ny tsena maneran-tany tamin’ny taona 2016 ireo vokatra ireo. Arak’izany dia mahatsara an’i Madagasikara ny mampandroso hatrany ny faritra iroboroboan’ireo vokatra tena mampidi-bola amin’ny fanondranana ireo. Ankoatr’ireo dia efa mihatsara ihany koa ny fanondranana vokatra hafa tahaka ny makamba sy kakao ary dipoavatra. Ny fampiroboroboana ireo vokatra eto amintsika ireo dia tena hampanankarena ny Malagasy. Olana ny tsy fananana politika mazava ny amin’ny fanampiana sy fampirisihana ny tantsaha ny amin’ireny vokatra maro samihafa ireny. Lasa miady irery ny mpamboly kanefa tena mamelona sady ain’ny toekarena Malagasy ireny vokatra ireny. Nanambara mihitsy aza moa ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana fa raha tena manome lanja sy miezaka amin’ireo vokatra ireo fotsiny ny firenena Malagasy dia efa ampy hampanankarena azy izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.