Dossier

Fanondranana lamba Tsy maharaka ny filàna i Madagasikara


  • Talata 05 Novambra 2019

Haharitra 3 taona ny tetikasa UKTP (United Kingdom Trade Partnership), izay iarahan’ny Vondron’ny Orinasa Afaka haba eto Madagasikara (GEFP) amin’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana ary vatsian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenena Britanika vola.

 

 

 

Ao anatin’ny fitadiavan’i Madagasikara fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fanodinana lamba ka anisan’ny tohana amin’izany ny tetikasa UKTP izay nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly. Ahafahan’ny firenena Malagasy mampiroborobo ny fanodinana sy ny fanondranana lamba ary hifaninana amin’ireo firenena matanjaka toa an’i Sina ihany koa ny tetikasa. Nahatratra 500 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2016 ny fanondranana lamba nataon’i Madagasikara tany amin’ireo firenena ao anatin’ny vondrona Eoropeanina ary namorona asa 100 000 hatramin’ny 150 000. Tanjona hapetrak’ireo orinasa afaka haba eto Madagasikara amin’izao fotoana ny hampiakatra avo roa heny ireo salanisa ireo  hatramin’ny taona 2025. Mbola maro anefa ny sakana ahatongavana amin’izany, raha ny fanavazana. toy ny tsy fahampian’ireo fanadihadiana eo amin’ny sehatra lamba sy ireo orinasa mpanodina. Olana ihany koa ny tsy fahampian’ny filan’ny orinasa eo amin’ny sehatra angovo, fampiofanana ary famatsiambola. Vokatr’ireo dia tsy mbola maharaka ny filana mihitsy i Madagasikara amin’izao. Niabo ny fifandanjana ara-barotra eo amin’ny Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, raha ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana, indrindra teo amin’ity lafiny fanondranana lamba ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT