Efa manomboka miarin-doha tanteraka ny orinasa mamokatra lamba eto Madagasikara na dia teo aza ny fahapotehana noho ny fanonganam-panjakana nisy tamin’ny taona 2009.
Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka miverina tsikelikely ireo orinasa mamokatra lamba (textile) teto amin’ny firenena. Efa maro ny asa teraka hatramin’ny niverenan’ny tetikasa AGOA (African Growth and Opportunity Act) izay nanaovana fifanarahana ara-barotra manamora ny fanondranan’ny firenena afrikana mankany Amerika. Sehatra tena ananan’i Madagasikara tombony ihany koa moa io ary mety amin’ny ankabeazan’ny Malagasy satria tsy dia ilaina farim-pahaizana ambony. Amin’izao fotoana izao dia tafiditra laharana faha-4 i Madagasikara amin’ireo firenena afrikana mpamatsy lamba mankany amin’ny firenena Eoropeana. Afaka mifaninana tsara ary tafiditra ao anatin’ireo firenena 20 tena mpanondrana tsy tapaka mankany amin’ny firenena ao anatin’ny Vondrona Eoropeana ny firenena Malagasy. Nahatratra 1 231 895 000 000 Ariary ny vola niditra tamin’ny fanondranana nataon’i Madagasikara tamin’ny 10 volana voalohan’ny taona 2019. Nahitana fitomboana 1,5% izany raha oharina ny tamin’ny taona 2018 izay nahazoan’ ny firenena io laharana faha-4 io aorian’i Maroka, Tonisia ary Egypta. Efa mitodi-doha aty amin’ny firenena Malagasy mihitsy ankehitriny ireo firenena mpanafatra lamba ary manantena hatrany ny vokatra tsara. Antenaina ihany koa fa hiteraka asa sy loharanon-karena ho an’ny Malagasy maro izany ary tsy tokony hanaovana ezaka mandrakariva.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.