Manoloana ny fampidirana am-ponja vonjimaika tany Ambalatavoahangy Toamasina an’ireo sinoa miisa 15 voarohirohy tamin’ny fitaterana andramena an-tsokosoko tamin’ny 5 febroary lasa teo dia tsy hita mazava ny tohin’ny raharaha amin’izao fotoana.
Tatsambo tamin’ilay sambo sinoa « Flying Panama MDP63051 » izy ireo ary nilaza tamin’ny fakana am-bavany fa miasa ho an’ny orinasa Lian Hua International Trade LTD. Hatreto anefa dia tsy nisy ny fanenjehana ireo teratany sinoa ireo kanefa anjaran’ny fitsarana manokana momba ny andramena no miandraikitra izany, araka ny tatitry ny mpampanoa lalàn’ny Repoblika tany Toamasina. Na izany aza dia nisy aloha ny vesatra 3 nanenjehana ireo sinoa ireo dia ny fandalovany nampiahiahy, ny fandavana ny baiko nomena ary ny fandosirana kanefa nanana fahadisoana. Ireo fandikan-dalàna ireo dia sazian’ny andininy 7.5.16,7.5 sy 7.5.15 ao amin’ny lalàna 99.028 mamaritra ny fitsipiky ny fifamoivozana an-dranomasina eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao tany an-toerana dia mampisalasala ireo olona miandraikitra ny taratasy ary manahirana ihany koa ny fifandraisana amin’ny fiteny tsy mitovy. Nangataka moa ireto sinoa ireto ny hifandraisana amin’ny mpampiasa azy satria nilaza izy ireo fa mpiasa tsotra fotsiny ihany. Fantatry ny praiminisitra tsara ity raharaha ity ary antenaina ny fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny fitondram-panjakana, indrindra amin’izao ady amin’ny kolikoly iantsorohany izao. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.