Niteraka resabe ilay fampanofana tany na fanomezana tany 80 Ha ho an’ny Maorisianina any Moramanga any.
Tsy fantatra mazava izay tena votoatin’ny fifaranarahana nataon’ny fanjakana tany amin’ity Nosy ity. Toa mangina sy tsy taitra ny rehetra. Aiza ireo Fikambanana na ONG sy ireo firaisamonim-pirenena sa mbola mijery tsara aloha? Sa kosa efa tsara karakara any ambadimbadika any ka mody tsy te hahalala? Fomba fiady eto amintsika hatramin’izay rahateo ny hoe: izay miteny sy manakiana fitondrana dia tambazan-tseza dia milamina sy mangina. Fomba fanao ihany koa araka izany ny miteny sy manakiana mba hahazoana seza. Inona tokoa moa ny fanoherana sy fimenomenonana tsy natao teto fa toa rava maina sy tonga tamin’ny niheverany azy ihany ny fanjakana? Notoherina ny lalàm-pifidianana fa toa ny teo ihany no teo fa mody nokitihina kely toa tsy nisy fanazavana akory? Notoherina ny lalàna mifehy ny faritra ara-toekarena manokana (ZES) saingy io niaraha-nahita io ihany no niafarany. Ny ekipan’ny filoha ankehitriny aza no isan’ny nanohitra mafy izany, ary isan’ny nilaza Rtoa Razanamahasoa Christine fa hisakana an’io, saingy izao iaraha-mahita izao. Tsy ny ZES no ratsy satria firenena maro no nahita fandrosoana tamin’io saingy tokony hangarahara sy ho voafaritra mazava ny tombotsoan’ny firenena fa tsy resaka kimaizimaizin’ny mpitondra sy ny mpifanaraka aminy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.