Orinasa iray manampy ireo rehetra te hipetraka any Kanada ny “VJ Consulting”.
Na ireo mpianatra te hanohy fianarana na ireo te hiasa ary ireo te hifindra monina any Kanada mihitsy aza dia tohanan’ity orinasa izay manana ny foiben-toerany eny Andranomena ity. Nandritra izay iray taona niorenany izay dia efa mahatratra 32 ireo fianakaviana eto an-toerana no notolorany tanana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, Raveloson Charline, dia mikarakara ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fandehanana ny “VJ Consulting”. Anisan’izany ny visa izay manahirana ny mikarakara azy. Ho an’ireo mbola te hianatra dia misy lalam-piofanana maro azon’izy ireo harahana, anisan’izany ny fitantanana fandraharahana sy tetikasa, fitsaboana sy ny lalàna ary ireo hafa. Na izany aza tsy maintsy mivarina herintaona hatrany ny mpianatra Malagasy mankany Kanada. Ireo rehetra te ho any koa dia tsy maintsy manana petra-bola manodidina ny 100 tapitrisa Ariary any amin’ireo Banky misy eto Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.