Dossier

Fanofanana ny mpianatry ny sekoly teknika Hohatsaraina, hoy ny minisitra


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Tanora afaka mamorona asa ho fanatsarany ny hoaviny sy hampandrosoany ny fireneny no hapetraka manomboka izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampiofanana teknika, Rijasoa Josoa Andriamanana.

 

 

 Antony io hitadiavana izay fomba hanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika, indrindra ny fanofanana ny mpianatry ny sekoly teknika ka itsidihana ifotony azy ireny mba hamantarana ny olana sedrainy ankehitriny. Efa anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena rahateo ny fampitomboana ireo mpampianatra horaisina mpiasam-panjakana ary ao anatin’izay ny sekoly teknika, hoy hatrany izy. Ankoatra ny faritra Atsinanana izay notsidihin’ny minisitra tamin’iny herinandro moa dia hitohy amina faritra hafa indray ny diany, raha ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT