Eo amin’ny tsenam-baro-panjakana no tena ahitana ny fanodinkodinana ny volam-panjakana araka ny fanadihadiana nataon’ny filankevitra ara-pitsipi-pifehezana momba ny tetibola sy ny vola (CDBF) nandritra izay herintaona katroka nijoroany izay.
Nanambara ny Tale jeneralin’ny CDBF, Razafindrakoto Julien fa nisy ny fanodinkodinam-bola amin’ny fanaovana fanambarana diso sy ny fihoaram-pefy tamin’ny fampiasam-bolam-panjakana. Mpiasam-panjakana, olom-panjakana ambony miisa 19 amin’izao no fantatra fa voasaringotra amin’ireo taratasim-pitoriana miisa 17 voarain’ny CDBF nandritra izay herintaona izay. Ny 4 Tale jeneraly, ny 4 hafa Talem-panjakana, ny ambiny kosa dia olom-panjakana, Prefe sy ben’ny tanàna ary tompon’andraikitra avy ao amin’ny rafitra mpandrindra ny tsenam-baro-panjakana (PRMP). Tamin’ireo raharaha 17 ireo dia fatiantoka hatramin’ny 27 miliara Ariary ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana no voatsiriky ny CDBF, araka ny tatitra nataon’izy ireo omaly tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Ho tohin’ny ezaka natao hatramizay dia mahavelom-bolo ny volavolan-kevitra anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2019), hoy ny filohan’ny CDBF. Mahatratra hatramin’ny 30 miliara Ariary ny lamandy ho an’ireo tratra manodinkodina volam-panjakana amin’izao nefa 3 ka hatramin’ny 30 tapitrisa Ariary monja izany taloha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.