Fantatra izao fa vita ny ampahana fanadihadiana nataon’ny Bianco momba ny resaka fanodinkodinana volabe tsy toko tsy forohana tao amin’ny Croix Rouge Malagasy.
Raha hiverenana ny tantara dia nampanao fanadihadiana lalina ny Croix Rouge Norvezianina mombana fampiasana ny volabe 3 tapitrisa Euros tokony nampiasaina tamina fanampiana eo amin’ny lafiny maha olona izay ahiana ho tsy nazava. Ny Kabinetra iraisam-pirenena ERNST& YOUNG no nisahana izany, izay namoaka tatitra fa 1.103.531 Euros no tsy hita popoka. Nanao fanadihadiana ihany koa ny Bianco taorian’ny fanairana maro samihafa nataona fikambanana ankoatra ny nivoaka tamina haino aman-jery mahakasika ny mety ho heloka bevava nataona manam-pahefana sy tompon’andraikitra eto amin’ny firenena nanararaotra ny fahoriana sy ny hanohanan’ny mpiray tanindrazana tokony hiantefan’ny fanampiana, saingy nivadika any amin’ny famenoam-paosin’ny olom-bitsy. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana ary , fa nisy ny fampiasana antontan-kevitra hosoka eo amin’ny taham-bola sy ny fifanakalozana ao anatin’izany. Mahatratra hatrany amin’ny 400.000.000 Ariary no voahodinkodina, araka ny loharanom-baovao iray. Olona miisa 9, tompon’andraikitra eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy no voakasika, ary efa niatrika fitsarana teny amin’ny PAC (Pôle Anti Corruption) omaly 28 septambra ny raharaha, ka naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany ny olona 3.Maro tamin’ireo no ao anatin’ny sampana mpikirakira vola, ka vesatra hanenjehana azy ireo ny fanararaotana arak’asa, fanodinkodinam-bola, hosoka ara-panoratana sy fanambarana hosoka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.