Tato ato dia manahirana ny mitady Whisky, indrindra ireny vita avy any ivelany ireny. Efa vitsy ny toeram-pivarotana mivarotra ary somary niakatra ny vidiny.
Ny volana desambra, janoary araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny orinasa mpamongady no tena nandeha be ny Whisky. Raha mihoatra ny tamin’ny herintaona dia lasa nitombo be ny fanjifana ka tsy naharaka intsony ny tahiry. Tamin’ny volana janoary teo aza moa dia mbola nahalafo maro noho ny tamin’ny volana desambra. Maro tokoa ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona natao teny rehetra teny. Nanao izany daholo na ireo minisitera isan-tsokajiny, ireo orinasa maro samihafa ary ireo fianakaviana sy mpinamana. Ireo whisky hafarana avy any ivelany toy ny Chivas Regal, Jack Daniel, Johnnie Walker no tena be mpanjifa be ka tsy maharaka amin’izao. Na ny famokarana teto Madagasikara koa aza dia nampitomboina satria niakatra be ihany koa ny tinady. Raha 60 000 Ar, ohatra, ny tavoahany iray tamin’ny novambra sy desambra 2017, dia efa tafakatra 95 000 Ar eny hatramin’ny 100 000 Ar ankehitriny. Misy moa ireo mihoatra lavitra izay araka ny kalitaony sy ny marika. Zary lasa fanaon’ny Malagasy ny misotro toaka rehefa misy fety na fihaonana. Manararaotra misotro betsaka satria efa iaraha-mahalala ny rotorotom-piainana, ny fahasahiranana mianjady ka any no mba ialany voly. Fa mampanontany tena tokoa hoe ny fiainana mihalafo isan’andro, ny karama tsy miakatra fa mitombo be ny fanjifana ireny toaka lafo vidy ireny. Fantatra ihany koa fa tena niakatra ambony be ny kaomandy tamin’ireo fety fifampiarahabana noho ny taom-baovao ny volana janoary sy febroary lasa iny ka anisan’ny nahalany ny “stock” koa izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.