Tsy mihena hatreto ny fanjifan’ny orinasa tsy miankina ny solika na dia teo aza ny fiakaran’ny vidin-tsolika matetika tato ho ato.
Io no fanambarana nataon’ny tompon’andraikitra iray teny amina tombin-dasantsy nandritra ny fanadihadiana natao. Misy amin’izy ireny mahavita mameno ny fitoeran-dasantsy amin’ny fiara ( manao plein) isaky ny 2 na 3 andro monja. Matetika izy ireny dia mampiasa karatra rehefa maka izany araka ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitra. Manaraka azy ao kosa ny fanjakana izay tena mpanjifa be ihany koa satria maka betsaka ihany koa ireo fiara miasa eny anivon’ireny minisitera isan-tsokajiny ireny. Ireo ihany koa dia mampiasa karatra rehefa manjifa eny amin’ny tombin-dasantsy. Fa amin’izao ankatoky ny fialantsasatra izao dia nanambara ihany koa ity tompon’andraikitra amin’ny tobin-dasantsy sendra ny gazety tia tanindrazana ity fa nampidi-bola be ireo fiara mandeha any amin’ny faritany. Amin’izao fotoana dia lasa avo roa heny ny vola miditra na dia miakatra ary ny vidin-tsolika. Nanambara kosa izy fa tsy dia miova firy ny vola ampidirin’ny taksibe isan’andro fa ny fiaran’ny olon-tsotra no nahitana fiakarana fanjifana solika tato ho ato noho ny fialantsasatra ihany moa no antony. Ny fiarakaretsaka kosa no mpanjifa maka lasantsy ambany indrindra sady mahalana. Misy aza moa tsy mampiditra mihitsy fa miandry vola any amin’ilay olona hoentina, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.