Dossier

Fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2019 Ho mangarahara tokoa ve ?


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Hivoaka tsy ho ela amin`ny alalan`ny didy hitsivolana raisina amin`ny alalan`ny filankevitry ny minisitra ny fanitsiana ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2019 (LFR 2019) raha ny tatitry ny avy amin`ny fiadidian`ny Repoblika.

 

 Efa hateloana izao no nandinihana tamin`ny antsipirihany teo amin`ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna hitsivolana mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana ho amin`ity taona 2019 ity. Tsy maintsy jerena sy dinihana amin`ny antsipirihany isan`andininy sy isan`andalana avokoa ireo volavolam-pandaniam-bola voasoratra isaky ny minisitera tsirairay avy. Tanjona moa no hametrahana fanjakana tsara tantana mba hisian`ny fampandrosoana marina miantraika mivantana any amin`ny vahoaka, araka ity fanambarana ity.

Mangarahara

Tokony ho hita taratra ao anatin`io LFR 2019 nasiam-panitsiana io ny nandehanan`ny volan`ireo minisitera nofoanana toy ny fiompiana, toekarena, jono, fitaterana … Nankaiza ihany koa ny vola saika hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ? Mbola hisitraka tetibola ve ny Antenimierandoholona izay marihana fa amin`ny taona 2021 vao tapitra ny fe-potoana ? Manaraka izay, tokony hofaritana ao avokoa ireo famatsiana ny tetikasan`ny filoham-pirenena. Raha ny lojika, tokony ho laharam-pahamehana ny sehatry ny fanabeazana, fahasalam-bahoaka, ady amin`ny kolikoly araka ny fanamarihana nataon`ireo mpamatsy vola. Amin`ireo sehatra ireo no hiaingan`ny ankamaroan’ny harin-karena faobe (PIB). Kanefa, ny fanatanterahana ireo tetikasa Velirano dia mila tetibola goavana. Na dia misitraka fanampiana 100 tapitrisa dolara avy amin`ny banky iraisam-pirenena dia tsy ho ampy velively izany. Tsara ny manamarika fa io fanampiana io dia tsy natao hamenoana ny banga eo anivon`ny kitapom-bolam-panjakana fa hampandrosoana an`i Madagasikara. Tsiahivina fa tsy voafaritra tao anatin’ny LFR 2019 lasitra ny ady amin`ny tsy fanjariantsakafo any Atsimo.  Noho izany, ny fanampiana toy ireny dia natokana ho amin`ny tranga toy izany. Iankinan`ny firenena mantsy ny tetibolam-panjakana ka andrasana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin`ny zava-drehetra raha mifanaraka amin`ny lalàna fototra ny zava-boalaza ao anatin`ny rijan-teny mandrafitra io volavolan-dalàna na tsia.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT