Dossier

Fanitsiana ara-toekarena sy ara-bola Nomen’ny FMI 44,52 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Zoma 13 Jolay 2018

Tamin’ny alarobia farany teo no nandalo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny tomban’ezaka andiany fahatelo nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

 

 Araka ny mahazatra, sady nankatoavina sy nekena ny vokatra azo ny amin’ny fiharian-karena faobe. Anisan’izany ny harinkarena faobe, ny fifehezana ny tahan’ny vidim-piainana sy ny fandaniam-bolam-panjakana, ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fampidiram-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra ary ny fandraharahana ara-bolan’ny banky foibe. Fanamby lehibe tokony hatrehina kosa ny famaritana ny fikajiana ny vidin-tsolika sy ny fanatsarana ny taham-bokatry ny orinasa JIRAMA. Ankoatra izay, mila ezaka ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitondrana tsara tantana. Nivoaka ny famatsiam-bola amin’ny fandaharan’asa maharitra telo taona izay nankatoavina tamin’ny 27 jolay 2016. Vola mitentina 44,25 tapitrisa dolara amerikanina no hivoaka avy hatrany ary harotsaka ao amin’ny banky foibe ho fanitsiana ara-toekarena sy ara-bola an’i Madagasikara. Rehefa mijery sy mandinika ny firenena manoloana izao famoahana ny FEC izao dia ohatra  ny milamina tsara tsy misy olana i Madagasikara ary afaka miroso mankany amin’ny fifidianana. Mazava ho azy fa olona tsara resaka amin’ny mpamatsy vola mahazatra no ho lany eo ary hanaiky hatrany ny paikady fanitsiana ataony. Rehefa izay dia tsy afa-manoatra hatrany ny Malagasy manoloana ny politikan’ny fitantanana, hany ka taraiky hatrany amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT