Mitotaly 639 tapitrisa dolara ny vola atontona amin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ka ny 411 tapitrisa dolara dia vola nampindramina amin’ny Japoney ary aloha ao anatin’ny 40 taona fa ny ambiny kosa dia ny fanjakana no handray an-tanana azy.
Araka izany dia goavana ny asa hatao ary hiteraka tsenambaro-panjakana marobe kanefa iaraha-mahalala fa ambony hatrany ny kolikoly amin’io sehatra io eto Madagasikara. Izany no nanatanterahan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny tetikasan’ny firenena mikambana PNUD sy ny masoivoho Japoney ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (JICA), atrikasa omaly alarobia 3 oktobra tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Tanjona ny hampihenana ny mety ho fisian’ny kolikoly amin’ny fanatanterahana ny asa fanitarana ny seranan-tsambo. Fandraisana andraikitra sy fisorohana sahady ny amin’ny izay trangana kolikoly mety hiseho no tena anton’ny atrikasa. Hapetraka, araka izany, ny fomba fiasa madio sy mangarahara mandritra mba tsy ho voahodinkodina indray ny vola na sanatria ho zara fa vita sy petatoko ny asa noho ny fisian’ny kolikoly. Hita ho mailo hatrany aloha ny mpiara-miombon’antoka indrindra ny mpamatsy vola satria efa maro ny atrikasa natao niarahan’izy ireo tamin’ny BIANCO mahakasika ity asa fanitarana ny seranan-tsambo ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.