Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ny amin’ny tetikasa fanamorana ny lalam-barotra sy ny fandraharahana ataon’i Madagasikara amin’ny Tsena iombonan’ireo faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika (COMESA) sy ny firenena ao amin’ny Oseana Indiana.
Tamin’ny qlatsinainy 17 desambra lasa teo no nanatanterahana ny lanonana tetsy amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny teti-bola Antaninarenina ka nahazoana famatsiam-bola hatrany amin’ny 311 Miliara Ariary (1 dolara=3560, 25 Ar) avy amin’ny Banky Afrikana ho amin’ny fampandrosoana (BAD). Mpikambana ao amin’ny COMESA ny firenena Malagasy ary tanjona ny hanatsarana ny fifandraisana sy ny fifangaroana ara-barotra ao amin’io tsena lehibe io ary koa manerana ny firenena ao amin’ny Oseana Indiana. Voakasika manokana amin’ity tetikasa ity ny any amin’ny faritra atsimon’I Madagasikara izay mbola ahitana toerana maro mitoka-monina. Araka izany dia laharam-pahamehana amin’ny tetikasa ny fanatsarana ny lalana mankany mba ahafahana mamoaka sy mampiodina tsara ny vokatra rehetra izay hiteraka fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina any. Amin’izany no hanamboarana sy hanavaozana ny lalana sy ny tetezana mampitohy an’i Vangaindrano, Masianaka ary Tolagnaro hanalalaka tsara ny lalam-barotra. Eo amin’ny sehatra fanondranana indray dia hisy ny fanamorana ny dingana ny amin’ny fandoavana fadin-tseranana, ny fanamaivanana ny fombafomba ny amin’ny vola aloa amin’ny fitaterana ny entana amin’ny alalan’ny fametrahana drafitrasa izay hita ao amin’io tetikasa io. Hiompanana ihany koa ny fanamarinana ny entana (certification) mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ka tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa ny vokatr’ i Madagasikara izay hamidy sy haondrana. Hahazo tombony amin’ny fanondranana ataony araka izany ireo koperativa mpamboly sy ny orinasa madinika sy salantsalany satria hisy ny tohana atao amin’izy ireo ny amin’ny fanomezan-danja ny vokatra aondrany. Mafy ny fifaninanana amin’izao fotoana izao nohon’ny fanatontoloana ka tena ilaina ny tetikasa fanatsarana ny lalam-barotra tahaka itony satria sady hiankinan’ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany no miteraka akony haingana amin’ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.