Tsy azo hamidy eny an-tsena intsony amin’izao ireo karazam-bokatra vokarin’ny orinasa TIKO Triple AAA, araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana.
Anisan’ireny ny yaourt izay tena nahafantarana azy hatramin’izay, ny dibera, ny ranom-boankazo … Lasibatry ny fanadihadiana avokoa izay mpivarotra mbola hahatrarana azy ireny amin’ny ankapobeny sady mbola giazana ihany koa ny entana. Ho ana mpivarotra roa sendra anay teto an-drenivohitra, ohatra, dia ana hetsiny ariary ny vidin’ireo vokatra novokarin’ny TIKO tsy maintsy nalana tao an-tsenany ka niteraka fatiantoka ho azy ireo. Anisan’ny tena mampandeha ny tsenan’izy ireo anefa ny fisian’izy ireny, indrindra fa ny yaourt noho izy ireny mbola tena matsiro sy be otrikaina tokoa ary be mpividy. Tena nihena ny vola miditra amin’ ny tsenan’izy ireo vokatr’izany. Ireo mpanjifa rahateo, hoy hatrany izy ireo tsy mividy raha vao tsy yaourt sy dibera vokarin’ny TIKO ka aleon’izy ireo tsy mivarotra intsony. Ho an’ny sarambabem-bahoaka indray dia tena tsy rariny izao fihetsiky ny fitondram-panjakana amin’ny fanafoanana ireo karazam-bokatra vokarin’ny TIKO eny an-tsena izao. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony hampivadiana amin’ny resa-politika ny fisiana orinasa Malagasy mahavita zavatra sy manasoa ny vahoaka tahaka ireny. Santionany amin’ireny ireto nanaiky nitafatafa taminay ireto.
Mamadety : Ny yaourt TIKO anefa no lohalaharana miaro ny vahoaka amin’ny aretina e ! Tsy misy dikany amin’ny yaourt vokarin’i Dada ny aretina pesta raha mihinana iray isan’andro ny olona iray. Tsy tokony hofoanana ilay izy, araka izany, mba ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Hary : Ilay famonoana ny orinasa Malagasy mihitsy no tena mampalahelo satria samy Malagasy isika. Ny zavatra vokarin’ny TIKO rahateo tsy ratsy sady manampy ny tantsaha. Ankoatra izay, manome asa ny mpiray tanindrazana izy. Tena mampalahelo ka !
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.