Manankarena ary fitaratra ho an’ny firenena afrikanina ny Rwanda amin’izao fotoana izao.
Vao tamin’ny fetim-pirenena lasa teo no nasaina tonga teto ny filoham-pireneny Paul Kagame. Nisy ny adim-poko nifandripahana ary nahafatesana olona marobe ka nampihena ny isan’ny olona mihitsy tany amin’io firenena io. Nanambara ny iraka manokan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, Rakotomamonjy Zakariasy izay avy ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka fa ny fiovan’ny toetsain’ny mponina tany Rwanda mihitsy no niteraka fandrosoana haingam-pandeha. Nahita maso ny fahadiovana sy ny fidiovana misy tany ny tenany nandritra ny fandalovana. Mampiaiky, hoy izy ny fomba fanenana ny fako ary an-kitsim-po sy feno firaisankina ny vahoaka Roandey miara-misalahy amin’izany. Misy ny famadihana ny fako plastika, ny fahaizana manangona ireny vokatra elektronika misy tsy mandeha ireny ary mahavelom-bolo ny fahitana ireo hazo maniry hatreny amin’ny lalambe ho fikajiana ny tontolo iainana. Mila mandray lesona ny Malagasy amin’ny fiovan’ny toe-tsaina mihitsy ary tsy voatery handalo faty olona mikararana vao hisy fampandrosoana eto amin’ny firenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.