Dossier

Fandrobana vato tao Bekisopa-Ikalamavony Olona efatra nidoboka am-ponja


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Mpitrandraka vato iray ara-dalàna no niharan’ny fandrobana ny 11 septambra lasa teo tao amin’ny fokontany Soatanimbary Kaominina Tanamarina Bekisopa, distrikan’Ikalamavony.

 

 

 

 Ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany no nanao bemidina nahitana ny prefe ao Fianarantsoa, ny polisin’ny harena ankibon’ny tany efatra, avy amin’ny BCMM roa. Nalain’izy ireo an-keriny ny vato tourmaline, 548, 9 kg, flurorine 187, 1 kg, 27, 3 kg, mica 15, 4 kg. Nogiazana teny amin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany eny Ampandrianomby ireo vato ireo izay nambara fa tsy ara-dalàna ny fitrandrahana azy. Araka ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpanao gazety anefa dia manana ny rariny ity mpandraharaha malagasy ity. Manana taratasy ara-dalàna mantsy izy. Nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana Anosy ny lasibatra ny 17 septambra lasa teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika ao Fianarantsoa ny efatra tamin’ireo lehilahy be sandry naka ny vato toa an’i Rivo, ny Ben’ny tanàna tao Tanamarina, i Sambo ary i Polifisy ny 26 novambra teo. Arahin’ny fitsarana maso akaiky kosa ny Prefe ao Fianarantsoa, i Berile sy olona iray ao amin’ny arofenitry ny minisitra. Ireto farany izay tsy maintsy manao sonia etsy amin’ny Fitsarana isaky ny 15 andro. Fantatra koa araka ny fanadihadiana lalina natao fa milaza ho tsy salama i Rivo rehefa tany am-ponja ka manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ity mpitrandraka ity noho izao fanararaotam-pahefana mihoapampana mihatra aminy izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT