Dossier

Fandripahana ala eto Madagasikara Teknolojia avo lenta no hanara-maso


  • Talata 19 Febroary 2019

Tanjona ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ireo valan-javaboary eto Madagasikara.

 

 

 Noho ny fandrosoan’ny teknolojia dia maimaimpoana ny sary azo avy amin’ny zanabolana ary maro hatrany ny karazana sy antontam-baovao izay azo ao amin’ny tranonkala ahafahana mijery amin’ny fotoana fohy ireo zavaboary, indrindra ny ala. Ny toerana misy doro tanety, ala simba na vao novolena dia hita avy hatrany ary izany indrindra no anton’ny tetikasa World Resources Institute (WRI) sy ny governemanta Malagasy izay manana tanjona hamadika haingana dia haingana ny vaovao ho lasa fahalalana manampy amin’ny fanapahan-kevitra. Vokany, novokariny ny Alerte-deforestation (Glad-Alert) ho an’i Madagasikara izay fitaovana mampiseho ao anatin’ny fotoana fohy ny toerana itrangan’ny fanapahana ala manerana ny Nosy. Nanambara ny minisitry ny tontolo iainana, Alexandre Georget fa 50 000 Ha ny hazo vinavinaina hovolena amin’ity taona 2019 ity ary nisy ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny WRI ny amin’ny fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny minisitera ny amin’ny fikirakirana ireo teknolojia vaovao hijerena ny ala ireo. Tsara kokoa ity fitaovana ity mihoatra ny Alerte Feux izay efa nahazatra satria lasa efamira 30 m no habe kely indrindra voatily. Mihamadinika, araka izany, ny antsipirihany asehon’ny sary ka ahitana mazava sy marina kokoa ny zava-mitranga ao anaty ala ao. Ankoatra izay, misy ihany koa ny application mobile « Forest Watcher » azon’ny rehetra ampiasaina amin’ny finday hampalaky ny fahazoana ny vaovao ary ahafahana manao fanairana raha misy olana any anaty ala rehetra any. Amin’ny alalan’ireo  teknolojia avo lenta sy ny zanabolana  Malagasy ireo no  handrefesana sy hanaraha-maso ny faritra rakotr’ala ary ny Malagasy rehetra dia afaka misitraka izany amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny tambajotra https://mdg.forest-atlas.org/map?l=fr.

Tsirinasolo

Rakotobe Michel

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT