Nisy ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra mandrara ny fanondranana ny omby.
Anisan’ny noresahana tao amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny mahakasika ny fandraharahana amin’ny resaka omby ary nametrahan’ireo depiote fanontaniana mahakasika ny ady atao amin’ny halatra omby. Nanambara i Paolo Emilio Raholinarivo fa tsy ampy io didim-panjakana navoaka io fa tokony hisy fepetra miaraka aminy tahaka ny fanamafisana ny dina. Ilaina ihany koa ny andrimasom-pokonolona sy ny famerenana haingana ny karatra fivezivezen’ny omby rehetra eto Madagasikara ahafantarana ny omby miditra sy mivoaka amin’ny fokontany iray. Izany koa moa dia hanamafy hatrany ny asan’ny sefo fokontany izay homena toerana sy andraikitra ao anatin’ny vina IEM. Ankoatr’izay dia efa nambara fa harem-pirenena ny omby ka tokony hatao fahavalom-pirenena manomboka izao ny dahalo, ny mpividy omby halatra, ireo mpitsara sy mpitandro ny filaminana mpamotsitra dahalo, ireo mpiasam-panjakana manao taratasy sandoka. Tokony hojerena akaiky ihany koa ny kavin’omby izay tokony ho iray ihany ho an’ny omby iray. Tsy maintsy potehina izany rehefa maty ny omby ary hita ho mbola maro anefa ny mampiasa kavin’omby efa maty eto Madagasikara ka ahafahan’ny omby halatra mivezivezy sy hamidy eto.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.