Dossier

Fandraharahana eto Madagasikara Mila mafy ny mpisehatra


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Miambakavaka ny mpandraharaha Malagasy noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Miahotra ary matahotra tanteraka noho ny tsy fitoniana ara-politika misy eto amin’ny firenena.

 

 

 Saika miandriandry daholo ny mpandraharaha ka tsy sahy mampiasa vola amin’izao fotoana noho ny fifidianana. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy misakana ny fandraharahana atao mihitsy ny fifidianana tanterahana. Aty amin’ny firenena afrikanina aloha dia saika mifamatotra hatrany ny fandraharahana sy ny tontolo politika. Miandry izay filoham-pirenena ho lany indray izany aloha, hoy ny mpampiasa vola sasany vao alefa ny fandraharahana. Izany ihany no sakana tsy hampivelatra mihitsy io sehatra manainga haingana ny toekarena io. Amin’ny zavatra rehetra mitranga dia mila mivonona hatrany ny mpandraharaha satria iaraha-mahita sy mahalala ny zava-misy eto Madagasikara fa mbola misy ny lafiny mety tsy hahalavorary ny fandraharahana atao. Misy ny olana sy ny sakana eny antsefatsefany eny ary mila tena mafy ny misehatra amin’ny fampiasana vola. Anisan’ny nahalasa lavitra firenena maro ny tontolon’ny fandraharahana na dia nisy aza ny ady an-trano sy korontana tany amin’ny sasany. Mbola azo lazaina fa milamina i Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa ka tokony hahay hanararaotra izany ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha eto amin’ny firenena ireo. Mbola ezaka ny fanamorana ny tontolon’ny fandraharahana eto kanefa io no sehatra mitera-bola haingana be.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT