Dossier

Fandraharahana amin’ny sehatra fambolena eto Madagasikara Hiantoka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Tsy mitsahatra ny fitombon’ny mponina eto Madagasikara kanefa tsy mifanaraka amin’ny famokarana izany.

Tsy mahavelona ny mponina iray manontolo ireo tantsaha maro misehatra amin’ny fambolena. Araka izany dia mibahan-toerana hatrany ny fanafarana entana, indrindra ny sakafo sy ireo zavatra ahodina ho sakafo. Manome 46,3%-n’ny fanondranana ny sakafo sy ny manodidina azy ka tokony hitodihana haingana amin’ny fandraharahana amin’ny sehatra fambolena (agri business). Tsy ny fananana sakafo ampy ihany mantsy no tombony azo amin’ity fa tena hampiainga haingana ny toekarena Malagasy ny fidirana amin’io tontolo io. Io fandraharahana amin’ny sehatra fambolena io dia manambatra singa maromaro mampiroborobo ny toekarena. Ohatra amin’izany ny fidirana sy fivoizana ny rojom-pihariana (approche chaine de valeur) hanatsarana ny vokatra. Amin’izay anefa dia teraka ho azy ny asa hafa mety tsy hidiran’ny sehatra fambolena tahaka ny famarotana sy ny fanatsarana ny kalitao ary ny fandraharahana aorian’ny famokarana mihitsy. Ny vokatr’izany rehetra izany no hiteraka fampandrosoana ara-toekarena maharitra sady hitondra tombony amin’ireo famokarana sy ny fandraharahana atao satria ankoatra  ny fisian’ny famoronana asa dia hitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha noho ny fitaran’ny tsena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT