Harena manan-danja ho an’ny Malagasy ny tany honenany ary andry iankinan’ny fiainany sy ny taranany izany kanefa malaina ny hanoratra ny taniny noho ireo olana hafa sedraina na sakantsakana ara-panjakana.
Misy fe-potoana anefa tokony hikarakarana ny fandovana sy didim-pananana ary araka ny antotanisa dia tsy misy afa-tsy 20 na 30%-n’ireo mpandova ihany no mahavita manoratra ny taniny aminy. Mbola olana lehibe izay tsy mety voavaha ny disadisa ateraky ny “ady lova” izay tena mampikorontana ny fiarahamonina Malagasy ary tena mitera-doza ho an’ny fampisaraham-bazana ny mpianakavy mihitsy.
Harena tokoa ny fananana ho an’ny Malagasy kanefa dia tsy marisika hanoratra ny taniny noho ny halafosan’izany fanoratana izany sy ny halavan’ny fotoana tsy maintsy hanaovana azy. Miteraka olana anefa izany aty aoriana. Misy amin’ireo tany sasany mantsy no efa tsy voazara fa mbola amin’ny anaran’ny razam-be tany aloha tany. Misy ihany koa no efa tsy vita nandritra ny 50 taona mahery tany ny famindrana ny tany tamin’ireo mpandova. Raha hikasa hanatanteraka fanoratana sy famindrana ny tany amin’ny mpandova amin’izay dia lasa lafo ny vola aloa satria tsy maintsy atao isaky ny fandovana. Antony ny fahalafosana dia araka ny lalàna velona mifehy ny fandovana dia tokony hokarakaraina ao anatin’ny enim-bolana ny fandovana izany satria iharan’ny sazy izay aloa any amin`ny fanjakana. Araka izany, mila hajaina io fe-potoana io satria ny saram-panoratana aloha any amin`ny ``Domaine`` dia taotaovana 10% isam-bolana raha mihaotra ny enim-bolana. Efa an-taonany maro ihany koa ny sampandraharahan`ny hetra no tsy naka ``droit`` ary nanamora ny resaka ``succession``.
Fanamarinana maha-mpandova
Rehefa maty ny olona iray dia tsy maintsy atao ny fanamarinana maha-mpandova na “acte de notoriété”. Voalaza ao ny mpandova ary raha misy ny didim-pananana na tsia. Tsy maintsy manao fanamarinana na ``inventaire`` an`ireo fananana rehetra izay tsy maintsy raketina ao anatin`ny fanamarinana maha mpandova. Tsara marihana fa ny fananana dia tsy mijanona amin`ny tany sy trano fa hatramin`ny fiara na petra-bola any amin`ny banky ary mety trosa izany. Mila ampahafantarina amin`ny fanjakana daholo izany mba ahafahana mandoa ny ``droit de succession`` ary porofoina amin`ny ``titre de propriete`` na koa ``certificat de situation juridique`` raha toa ka tany sy trano. Raha manana petra-bola dia releve bancaire ary raha trosa aman`olon-kafa indray dia tsy maintsy misy taratasy manaporofo an`izany. Tokony holazaina ao anatin`ny fanamarinana ny maha mapandova ny mpandova rehetra, avy eo manao fizarana. Tsy tokony hisy ``acte`` isan-karazany fa mampigadra. Tranga mateti-pitranga ary miteraka ady eo amin`ny fianakaviana izany satria misy olona iray manana ``acte de notoriete`` 4 na 5 kanefa voararan`ny lalàna. Rehefa vita ireo dia afaka manao “declaration de succession” amin`izay ny mpandova rehetra. Marihana fa tokony ho vita ao anatin’izany fe-potoana voatondro izany satria nasiana "ordre de priorité" izy io. Izany no atao hoe ``declaration de succession`` ary afaka manomboka ny fizarana amin`izay ny mpandova rehetra ary miditra amin`ny dingana manaraka izay atao hoe ``mutation par deces``.
Miisa 2 ny fandovana
Araka ny andininy voalohany ao amin'ny Lalàna 68-012 tamin'ny 04/07/1968, Ny Fandovana dia famindrana ny fananana navelan'ny maty na fananana mivaingana (biens) na koa Zo (droits), na izany Adidy (obligations). Ny lalàna kosa dia mandrara ny fandovana olona velona. Miseho amin’ny endriny roa ny fandovana. Ny voalohany dia ny fandovana tsy misy didim-pananana na "succession sans testament" izany hoe raha tsy nanao didim-pananana ny maty na nisy fananany tsy voalazan'ny didim-pananana ny mahakasika azy, dia toy izao manaraka izao ny filaharan'ny mpandova araka ny andininy faha-16 amin'ny Lalàna 68-012 voatsiahy tetsy ambony. Ny faharoa indray dia ny fandovana vokatry ny didim-pananana ("succession testamentaire"). Marihana fa ny soratra mirakitra izay anaovan'ny tsirairay ny fananany aorian'ny fahafatesany no atao hoe "didim-pananana". Samy manana ny lanjany sy ny hasiny ireo didim-pananana voalaza ireo. Misy fepetra fototra tsy maintsy hajaina kosa anefa izany tokoa ny didim-pananana raha tsy izany dia azo foanana eny anivon’ny fitsarana ady madio izy. Ireto manaraka ireto izany : -tsy maintsy fananana efa misy no ampidirina ao anaty didim-pananana.
|
Toy izao ny filaharana voalazan’ny lalàna, momba ny fandovana :
|
Didim-pananana karazany telo
Ny asan`ny didy dia handaminana ny fandovana sy ny fizarana ny fananany rehefa tsy eo intsony ny maty. Misy ihany koa olona tsy tiany handova ny fananany na koa hampidirina anisan`ireo mpandova. Misy ny atao hoe ``Testament olographe`` izay didy misy sora-tanan`ilay olona ary misy daty sy sonia. Manaraka izany, misy ny didy miafina izay amin`ny mpiraki-teny(notaire) na koa ``officier publique`` kanefa midy ao anaty valopy eo imason`ny vavolombelona anakiroa. Misy kosa ny didy ampahibemaso na ``Testament publique`` izany hoe eo imason`ny vavolombelona sy ny notera kanefa tsy manan-kery raha tsy maty ilay olona. Marihana fa ny didy dia azo foanana raha tsy manaraka lalàna izany hoe mila atrehana vavolombelona anakiroa. Tsy dia misy mampiasa firy eto Madagasikara. Tena misy dia misy tokoa ny fombafomba (« formes ») tsy maintsy hajain’ny didim-pananana. Tena teknika be ireo, kanefa ny tsy fanajàna azireo dia mahafoana avy hatrany ilay didim-pananana. Azo foanana ihany koa ny didy raha toa ka misy ny ``situation d`agonie`` izay voarakitry ao ny art 41. Tsy maintsy atao eo imason`ny sefom-pokotany, na loham-pianakaviana miampy vaolombelona 4 kosa anefa izany ary tsy maintsy misy solontena an`ny fianakaviana roa tonta. Tsy dia misy mampiasa firy ity
Mpandova very zo
Tsy manan-jo handova kosa ary very ny zo maha-mpandova azy raha toa ka voaporofo fa namono ny Maty ilay Mpandova na ninia nahafaty azy izay antsoina hoe ``enfant indigne``. Manaraka izany, raha mbola velona ny ray aman-dreny dia tsy mirotsaka ho mpandova ny iray tampo. Momba ny zanaka anelakelan-trano sy ny zanaka ivelan’ny fanambadiana indray: tsy mitovy ireo araka ny lalàna. Ny zaza ivelan'ny fanambadiana na “enfants naturels” dia izay zaza nateraky ny lehilahy fony izy mbola tsy vita sora-panambadiana tamina vehivavy iray ka misoratra aminy. Araka izany dia afaka mandova azy malalaka ireo. Kanefa ny zaza anelakelan-trano na "enfants adultérins" dia zaza nateraky ny lehilahy iray efa vita soratra tamina vehivavy hafa ankoatry ny vadiny diq tsy afaka mandova. . araka ny andininy faha-22 ao amin'ny Lalàna 63-022 tamin'ny 20/11/1963 mahakasika ny fizanahana dia “zo ara tsakafo” na "obligation alimentaire" ihany no ananan'ilay zaza. Raha manaiky an-tsoratra ny fanjànahana nataon'ilay lehilahy kosa anefa ny vady vita soratra aminy dia heverina ho toy ny zaza nateraka ilay zaza anelakela-trano. Tsara ny manamarika fa ny atao hoe “zanaka” ka voaporofo ara-dalàna ny rohy.
Laharana fahavalo ny vady
Mandova ny antsasaky ny fananan`ny mpivady ny vehivavy maty vady ka manan-janaka. Raha tsy niteraka izy roa, ny havan`ilay lahy no mandova alohan`ilay vadiny, izay lasa any amin`ny laharana fahavalo eo amin`ny fandovana raha tsy nisy fifanarahana vita talohan`ny nahafatesana. Tsy voatery ho voahaja foana anefa ireo voalazan`ny lalàna ireo ary eo no mihatra ilay karazana fandovàna faharoa: fandovàna vokatry ny didim-pananana ("successions testamentaires") masi-mandidy amin'ny fananany ny olona tsirairay. Noho izany, afaka manapaka izay tiany hotolorana ny fananany na anaovany izany ny tenany aorian'ny fahafatesany. Raha nilaza ny Maty tao anaty Didim-pananana navelany fa ny vadiny no hany mandova ny fananany rehetra dia tsy maintsy manaja an`izany ny zanaka naterany sy ny havany rehetra. Raha fehezina dia tsy tafiditra ao anatin`ny fananana iombonana ny lovan`ilay Maty na dia samy nihary izany.
Mpiraki-teny
Ny notera dia solotenam-panjakana iray natao handray ny fifampivarotana amin’ny ifanaovan’olon-droa. Misy aza no terena araka ny lalàna ny fanaovana izany rehefa mihoatra ny 25 tapitrisa Ariary, fa tsy maintsy mankany amin’ny notera ny fifampivarotana na fifanolorana amin’ireo zavatra mahakasika ny tany. Izy koa no mandray ny fanaovana didim-pananana raha misy olona te hanao izany. Manao fanamarihana maha-pandova, manampy an`ilay mmpandova hamindra an`ireo fananana amin`ny anarany ka manomboka eo amin`ny 90 000 Ariary ny saran`ny fanamboarana ``acte de notoriete`` ary 180 000 Ariary ny fanaovana didim-pananana. Manampy an`ireo mpandova ihany koa amin`ny fizarana. Raha ohatra ka tsy mifanaaraka kosa ny mpandova fa hampiakatra ny raharaha eo amin`ny fitsarana dia manatanteraka didy koa ny notaire avy eo. Marihana fa ny mpisolo vava miaro ny zon`ny mpanjifany dia misolo tena azy fa ny ``notaire`` kosa mandray fifanarahana na koa mandray ``acte``.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.