Mampigadra dimy ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ny fandoroana tanety.
Mampigadra dimy ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ny fandoroana tanety.
Lalàna velona nanomboka tamin’ny taona 1960 izany, araka ny fanazavan’ny ministry ny tontolo iainana Alexandre Goorget, omaly fa tsy sanatria vao noforonin’izy ireo akory. Ho hentitra ny ministera tantanany hampihatra io lalàna velona io manomboka izao. Tafiditra ao ny sefom-pokontany, ny sefo distrika ary ny lehiben’ny faritra izay nomarihiny fa samy tompon’andraikitra eny ifotony avokoa ka samy manara-maso sy manentana ny mponina hahafahana manafay ireo fanetriben’ny firenena. Ny faritr’i Boeny moa no tena ahitana doro tanety betsaka indrindra amin’izao, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Nahatratra 140.000 ha mantsy ny faritra may tamin’ny taona 2017, niakatra ho 170.000 ha tamin’ny taona 2018 ka ny 6 % tamin’ireo dia ala avokoa. Tsiahivina fa antony maromaro no mahatonga ny firongatry ny doro tanety eto amintsika amin’ny ankapobeny toy ny fahasarotan’ny fifehezana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fandoroana saribao tsy voatandrina….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.