Dossier

Fandaharan’asa FEC faha-4 Famatsiam-bola 43,8 dolara no azon’i Madagasikara


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Vita tany Washington tamin’ny zoma 22 martsa farany teo ny fivorian’ny filan-kevim-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) izay nankato ny fandaharan’asa ara-toekarena tohanan’ny famatsiam-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit).

 

 

 

 

Tahaka mahazatra dia asa atao isaky ny enim-bolana izany ary famaranana ny fanadihadiana faha-efatry ny fandaharan’asa no notanterahina. Araka izany dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny FMI amin’ny alalan’ny FEC. Takian’ny FMI hatrany kosa ny fanovana rafitra ny amin’ny fanatratrarana ireo tanjona ara-bola. Anisan’izany ohatra ny tetikasa fanatsarana izay hampihenana miandalana ny fanampiana ara-bola ny orinasa JIRAMA sy ny tsy fanohanana ara-bola intsony ny famatsiana solika ataon’ny fanjakana ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Vola mitentina 43,8 dolara amerikana no azon’ny firenena Malagasy. Ny ampahany amin’izany dia alefa ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara izay hitantanany ny tahiry ivelan’ny Madagasikara. Eo ihany koa ny fanampiana ara-bola mba hampitombona ny kitapom-bolam-panjakana. Mazava ho azy fa hamaha ny fahasahiranana ara-bola an’I Madagasikara ny fankatoavan’ny FMI ny FEC. Nanambara ny governoran’ny banky foibe, Alain Herve Rasolofondraibe nandritra ny fambolen-kazo notanterahina tetsy amin’ny fokontany Morarano Faliary Kaominina Anjeva Gara tamin’ny sabotsy 23 martsa fa fanadihadiana misa 2 sisa dia tapitra ny fandaharan’asa FEC. Ny andiany fahadimy dia hatomboka amin’ny volana mey araka ny fifanarahana efa vita tamin’ny FMI ary ny farany kosa dia any amin’ny volana oktobra any  ho any.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT