Dossier

Fandaharan’asa CITES Hanenjehana ireo mpanao trafikana hazo sarobidy


  • Zoma 28 Septambra 2018

Nanatanteraka fifanaovan-tsonia tetsy Antsahavola ny ministeran’ny tontolo iainana, ny haivoary ary ny ala (MEEF) niaraka tamin’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) omaly Alakamisy 27 Septambra.

 

  Ho fanatanterahana ny fandaharan’asa FAO UE FLEGT vatsian’ny vondrona eoropeana izay miompana amin’ny fitantanana maharitra sy ny fanajana ny ala ary ny fahafahan’ny hazo tsy ho lany tamingana. Araka izany dia hisy ny fanadihadiana amin’ny mety ho vokatry ny fanapahana ny ala. Misy mantsy ny fetra azo ikitihina ny ala mba tsy ho hahalany ritra azy. Ao anatin’ny ala maniry no hijerevana sy ny hanaovana ny fanadihadiana hiarahana amin’ny FAO mba ho tombony ho an’ny firenena ny fananana ireo hazo sarobidy ireo. Amin’izany ny hanisana ireo hazo efa voatapaka sy ireo hazo manokana ananan’ny olona .Handeha izany fanisana izany ary hotandremana tsara tsy hifanitsaka na hanakorontana ny fanisam-bato amin’ny fifidianana hoy ny tatitry ny tale jeneralin’ny ala, Rabenasolo Solofoniaina Eric. Ho fanatanterahana izany rehetra izany dia nisy ny zavatra 3 notsindrin’ny fandaharan’asa CITES napetraky ny mpiara-miombon’antoka mba ahafahana mivarotra ireo hazo sarobidy efa tapaka eto Madagasikara. Voalohany dia tokony hisy aloha ny fanarahan-dalàna ka tsy maintsy enjehina ireo olona mpanondrana an-tsokosoko ny hazo sarobidy. Manaraka izany dia tokony ho voafehy ny resaka fanisana ireo hazo sarobidy ananan’i Madagasikara ireo. Ao ihany koa  ny fametrahana ny famantarana ireo karazana hazo sarobidy ireo hatramin’ny fomba faniriny ary indrindra  ny fampiasana azy. Takian’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao mba ho fanarahan-dalàna izany rehetra izany ary antony anaovan’ny  CITES ny fanadihadiana miampy ny fanaraha-mason’ny fanjakana.

Tsirinasolo

 

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT