Raha ny tokony ho izy dia ny 15 jolay teo ka hatramin’ny 30 septambra ho avy izao, hoy ny tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra,
Landy Raveloson, no natomboka ny asa fanatsarana (assaignissement) ilay lakan-drano mampifandray ireo faritra atsinananan’Antananarivo iny. Izany hoe mandalo an’Antsakaviro sy mihazo an’i Besarety. Mba hisorohana ny tondra-drano dia tsy maintsy atao, hoy izy, ny fanamboarana izany ary satria moa tsy maintsy ravana ilay tetezana eo amin’ny antsoina hoe Vallée de l’Est mialohan’ny hanamboarana vaovao indray dia amin’ny volana aogositra indray izany no ho tapaka ireo lalana vitsivitsy. Resaka fandaminana ara-tekinika sy ara-pitaovana moa, raha ny fanazavana, no nampihemotra ny fiatombohan’ny asa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.