Dossier

Fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana Ilàna ezaka maro eto Madagasikara


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Mampiroborobo ny toekarena ny fahasalaman’ny tontolon’ny fandraharahana anatin’ny firenena iray.

 


 Eto Madagasikara dia tena mbola marefo izany, indrindra ny amin’ny fanatanterahana ny fandraharahana ataon’ny tsy miankina. Tokony hisy aloha drafitra maty paika hanamorana ny fikarakarana ny taratasy ara-panjakana izay mampikaikaika ny mpandraharaha tsy miankina. Tsy azo ihodivirana koa ny fifanatonana sy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Rehefa marin-toerana sy mangarahara tsara izany dia afaka mampiasa vola sy manodim-bola araka izay tratrany ny mpandraharaha. Rehefa mandeha mantsy ny fandraharahana ka tsy miferotr’aina ireo mpisehatra amin’izany dia hanainga haingana be ny toekarena. Rehefa milamina ny tontolon’ny fandraharahana noho ireo ezaka atao dia tsy olana intsony ny fifaninanana eo amin’ny samy mpandraharaha hatramin’ny orinasa madinika sy salantsalany. Amin’ny fanamorana ireo antontan-taratasy ireo dia tsy maintsy jerena hatrany ny fandrosoan’ny teknolojia mifandraika ary ilaina ny fampiharana azy eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho hita taratra mihitsy ny toe-javatra mety hahakivy ny mpandraharaha, indrindra ny amin’ireny dingana ara-taratasy tsy maintsy iantsorohany ireny.  Ilaina ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny amin’ny taona ho avy eo mba hisy tohana mafy mihitsy amin’ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) hijerena ireo drafitra sy fitsipika ary lalàna araka ny tokony ho izy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana mba ho tombony ara-toekarena.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT