Dossier

Fanatsarana ny toekarena sy ny fitantanam-bola Mbola sarotra sy ady mafy


  • Talata 03 Septambra 2019

Nezahana nampifanarahana tamin’ireo vaindohan-draharaha vaovao araka izay voalaza ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ny Tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana 2019.

Eo amin’ny sehatry ny tetibola, tohizana ny ezaka amin’ny fampitomboana ny vola miditra amin’ny fanjakana. Hatreto aloha, ho sahirana ny fanjakana ary tena miantehitra mafy amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany na dia nolazaina aza fa tsy dia ilaina izany tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Efa maromaro ihany ny famatsiam-bola nosoniavina saingy kely raha oharina amin’ireo velirano sy vina nampanantenaina sy ketrehana hotanterahana. Ankoatra izay, ambetin-dresaka ihany koa  ny fampitomboana ny vola miditra eny amin’ireo vondrom-paritra eny ifotony amin’ny alalan’ny fiantohana ireo vola azo avy amin’ny harena voajanahary ary ny fandraisana an-tanana miandalana ny asa fihariana tsy manara-dalàna mba hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Mbola ezaka be ihany koa ny amin’izany satria mainka miroborobo be ny sehatra tsy ara-dalàna amin’izao fotoana ary vao tsy ela akory no nampiaka-peo ireo mpisehatra ara-dalàna amin’ny harena voajanahary fa maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna hita. Voalaza ao anaty PGE ihany koa fa hohamafisina ireo fanaraha-maso mialoha sy aorian’ny fampiasana sy fandaniana ny volam-panjakana mba hamongorana ny kolikoly sy ny hosoka. Hatreto aloha dia ny fanenjehana ireo tompon’andraikitra maro isan-karazany teo aloha no tena mafotaka ary maro hatrany ny dosie mivoaka tsikelikely. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo no voasaringotra tamin’ny fanodinkodinam-bola ireo tompon’andraikitra 4 teo aloha eo anivon’ny fadin-tseranana. Mivoaka sempotra ny fanjakana ny amin’ny hampandrosoana ny sehatra toekarena sy ny fifehezana io fitantanam-bola io. Tsy mbola misy zavatra hita mivaingana mipaka amin’ny vahoaka madinika hatreto fa mbola miaina sinema sy fampielezan-kevitra foana izy ireo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT