Tsy azo ihodivirana ny fidirana amin’ny fanatontoloana amin’izao fotoana izao. Matetika sady hita soritra anefa fa ny firenena tena matanjaka no misitraka ny tombony ary saika matiantoka hatrany ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara.
Raha i Sina izao ohatra dia niteraka fampandrosoana ary nampiainga be ny toekareny ny fanatontoloana. Amin’izao dia afaka mametraka orinasa iray any amin’ny firenena hafa tahaka ny any Frantsa izy ary misy mihitsy ny marika hoe vita frantsa kanefa ny famokarana dia natao tany aminy (délocalisation des Entreprises Etrangères) satria mora ny manao zavatra any Sina. Miteraka fihenan’ny asa any Frantsa izany ary lasa mahatonga sary ratsy amin’ny fahaiza-manao (qualification personelle). Mahatsara ny tsenan’ny sinoa ny fananana olona maro afaka mamokatra amin’ny karama araka ny tokony ho izy. Izy ihany koa amin’izao no mpamatsy ny akora fototra any amin’ireo orinasa any amin’ny firenena tandrefana. Izany no antony mampiakatra ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona any an-toeyana ary saika manerana ny aziatika mihitsy ka mahatonga ny fiakaran’ireo olona maro lasa manankarena. Mifanohitra amin’izay, tsy mivoatra mihitsy amin’izao ny karama any amin’ny firenena tandrefana noho ny fisondrotam-bidim-piainana tsy voafehy miampy ny hetra ambony alain’ny fanjakana, hany ka saika miha mahantra ny olona ka lasa maro ny mivarina manana faripiainana antonony loatra (classe moyenne). Nahatsara toerana be an’i Sina ihany koa ny krizy ara-bola nisy tamin’ny taona 2008 izay nisy fiantraikany ratsy ara-toekarena tahaka ny tany Amerika sy Eoropa ary tsy mbola mahatafarina azy ireo hatramin’izao. Eto Madagasikara moa dia efa hita mibaribary ny tanjaky ny sinoa amin’ny sehatra fandraharahana ary tsy afa-miala aminy ny firenena amin’ireo fiaraha-miasa. Mila fetsy kosa anefa ny mpitondra fanjakana na dia izany aza satria na ny firenena matanjaka sy mandroso aza dia efa ambakainy sy manaiky azy amin’izao fotoana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.