An-jatony ireo orinasa eto Madagasikara no tonga tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina omaly alarobia 3 oktobra nanatrika ny fampahafantarana sy ny fampiofanana momba ny teknolojia malaza sy vaovao amin’izao fotoana izao.
Ny orinasa NextHope miaraka amin’ny Cosmor ary ny Cisco Systems izay misehatra tanteraka amin’ny resaka fikirakirana ny teknolojia avo lenta no tompon’antoka tamin’ity hetsika ity. Nanambara ireo tompon’andraikitra nisolontena ny orinasany tonga tao fa tsy azo ihodivirana intsony ny fotodrafitrasa ara-teknolojia ankehitriny ary taratry ny fandrosoana ara-toekaren’ny firenena izany. Anisan’ny olana sedrain’ny orinasa amin’izao fotoana izao ny fomba fitehirizana ny vaovao (sécurisation d’un système d’information) ka nanome vahaolana ny amin’izany ny Nexthope araka ny tatitry tale ara-barotra, Christian Rakotomavo. Eo ihany koa ny fanamorana ny amin’ny sehatra fitantanana ankapobeny mba ho haingana sy marina ny fikakirana ny teknolojia, indrindra ho an’ireo orinasa mampiasa olona maro. Mazava ho azy fa hisy vokany amin’ny asa atao sy ny mety ho famokaran’ireo orinasa izany rehetra izany ary tahaka ny any amin’ny firenena mandroso dia hisy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena ny fahaizana mifehy ny teknolojia.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.