Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo sy ny UNICEF ary ny masohivohon‘i Korea tetsy Ampandrianomby.
Vola 2,5 tapitrisa dolara no vatsian‘ireo mpiara-miombon’antoka roa ireo ho an’ity tetikasa izay haharitra 3 taona. Vonona ny hanampy ara-teknika sy hitondra ny traikefa ananany ny Koreanina mba ahafahan’i Madagasikara hiroso hatrany ara-toekarena; hoy ny masohivohony. Anisan’ny firenena mbola manana taha ambony amin’ny fanaovana maloto ankalamanjana ny eto Madagasikara ary tena manamarika izany ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho an’ireo faritra roa ireo dia 35%-n’ny mponina ihany no mbola misitraka rano fisotro madio amin’izao fotoana. Miompana amin’ny ady atao amin’ny fanaovana maloto ankalamanjana sy ny fanomezana rano fisotro madio izay indrindra no antom-pisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo sy ny UNICEF ary ny masohivohon’i Kore eto Madagasikara. Fiaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asa Madagasikara madio 2025 ity teeikasa ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.