Misy ny mpanao gazety mahafantatra ny fisian’ny kolikoly ary mahalala mihitsy ny olona manao izany saingy misafidy ny hangina noho ny tahotra,
hoy ny teo anivon’ny Transparency International (TI) nandritra ny fanomezana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola. Mpanao gazety amin’ny sehatra fanadihadiana lalina no nomena fiofanana tao amin’ny IKM Antsahavola nandritra ny 2 andro sy tapany mahakasika ny fomba mahomby hanatanterahana ireo fikarohana. Nanasana ny lehiben’ny Transparency International avy any amin’ny Nosy Maorisy mihitsy izany ary nizarana ny traikefa hiadivana amin’ny kolikoly. Nisy ihany koa ny fanolorana loka ho an’ireo izay nandresy tamin’ny fifaninanana mpanao gazety mivondrona ao amin’ny tambajotra MALINA mahakasika ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2018 izay mifandray amin’ny kolikoly avo lenta misy eto Madagasikara. Tanjona tamin’ny fifaninanana ny fampirisihina ny mpanao gazety handalina sy ho sahy hijoro sy hiteny ny amin’ireo sehatra sy olona manao kolikoly. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia ho fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny TI sy ny gazety an-tsoratra iray eto Madagasikara izay nanaiky ny hamoaka sy hitatitra vaovao hatrany avy amin’ny tambajotra MALINA mba hamongorana tanteraka ny kolikoly mampahantra firenena. Manome fitaovana ary mampita traikefa sy fiofanana no nataon’ny TI fa anjaran’ny mpanao gazety no mampanjaka sy manadihady tsara mba hisian’ny fahamarinana sy ny fangaraharana, hoy ny tompon’andraikitra. Nahazo voalohany tamin’ireo 12 nanao ny fifaninanana moa ny fanadihadiana momba ny fanondranana an-tsokosoko ny sokatra tany amin’ny faritra Atsimo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.