Dossier

Fanaovana foara etsy sy eroa Tokony ho tosika ho an’ny toekarena


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Mila mihazakazaka mafy amin’ny fandraharahana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara raha te hahita vokatra mahatsara ny toekarena.

 

 

Tsy ekena ny fahitana Malagasy mahantra maro be nefa iaraha-mahalala ny harena be eto amin’ny firenena, hoy ny Agence Première Ligne mpikarakara hetsika lehibe ara-toekarena ka tokony hotrandrahana tsara izany mba hampanankarena ny rehetra. Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre ny fisian’ireo karazana foara maro samihafa indray amin’iny taona 2019 ho avy iny. Tahaka ny mahazatra dia hisy ny ASIA ENJOY Madagascar, Foire Internationale de Madagascar (FIM), SIM (Salon de l’Industrie Madagascar)- FIA (Foire Internationale de l’Agriculture) ary ny Salon Internationale de l’Habitat (SIH). Saika efa andiany maro daholo izy ireo kanefa hita fa mitotongana hatrany aloha ny toekarena Malagasy. Mampanontany tena ihany hoe sao lahy dia lasa fahazarana fotsiny ny fanaovana hetsika ara-toekarena tahaka itony fa tsy mipaka mivantana amin’ireo mpisehatra, indrindra ny tantsaha sy ny mapandraharaha ary ny vahoaka Malagasy mihitsy. Tokony hijery akaiky ny hetsika lehibe ara-toekarena tahaka izao ny mpitantana vaovao ny firenena eo mba tena hipaka amin’ny rehetra ny zavatra atao fa tsy sanatria fahazarana sy fambotriana ny Malagasy

Tsirinasolo

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT