Faha-167 amin’ny 188 ny laharan’i Madagasikara amin’ny lafiny fandraharahana. Rariny raha miaina tanteraka anaty fahantrana ara-toekarena ny firenena.
Tokony handroso be io laharana io na dia amin’ity taona vaovao ity ihany aza raha tanteraka an-tsakany sy an-davany ilay vinan’ny filoham-pirenena vaovao IEM. 183 ny orinasa nahazo fahazoan-dalana nitsangana tamin’iny taona 2018 iny teto Madagasikara saingy ireny call center manome asa ny tanora saingy tsy mitondra akony amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ireny no maro an’isa. 85 sahady ireo orinasa “call center” nisokatra ary tato anatin’ny 3 taona farany no tena nisy nitsangana betsaka indrindra. Ny 90%-n’ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara koa anefa dia madinika sy salantsalany avokoa, araka ny tatitry ny Management Ressources Humaines (MRH). Niadam-pandeha ny fiakaran’ny tahan’ny fandraharahana amin’ny orinasa tamin’iny taona 2018 lasa iny satria 6,7% monja raha 8,9% tamin’ny taona 2017, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Eo amin’ny sehatra Indostria dia olana ihany koa ny famatsiam-bola satria ambany be ny tetibolam-panjakana atokana ho an’ny fampandrosoana ara-indostrialy. Farafahakeliny tokony hananika ny 25% izany araka ny vina napetraky ny mpahay toekarena mivondrona ao amin’ny CREM. Manome 15% monja amin’ny harinkarena faobe io sehatra Indostria io ary efa tara be raha oharina amin’ireo firenena afrikanina. Inoana fa tsy hijery fotsiny ireo olana mampikaikaika ny mpandraharaha amin’ny fananganana orinasa na Indostria Malagasy ny filoha vaovao satria ao anatin’ny vina IEM avokoa ny fampandrosoana ireo sehatra ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.