Dossier

Fanandratana ny soatoavina Malagasy Fanoitra hampandroso ny firenena


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Ho fanohizana ny asa eny ifotony sy ny fitetezam-paritra ary ireo ezaka ataon’ny Komitin’ny fampihavanam-firenena (CFM) dia nisy ny famelabelarana sy dinidinika ary ady hevitra momba ny soatoavina Malagasy tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra tamin’ny Alarobia 27 Febroary lasa teo.

 

 Mialefy ny fanandratana ny soatoavina Malagasy eny amin’ny fiaraha-monina saika amin’ny sehatra rehetra ka rariny raha tsy misy ny fandrosoana eto amin’ny firenena. Ity dinidinika natao ity dia entina hanangana indray ny firenena amin’ny alalan’ny fifanajana, fampihavanana, fandravonana ary fampianarana ny samy Malagasy. Tao anatin’izao famelabelarana izao no namerenana manokana ny momban’ny tany sy ny hasina ananany. Teo ihany koa ny fanadihadiana momban’ny mponina eto Madagasikara sy ireo teny maro misy eto. Ankoatr’izay dia tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny fandalinana ny kolontsaina sy ireo fomba amam-panao maro niainana sy nisy teto amin’ny firenena. ny hevitra rehetra avy amin’ireo mpikaroka sy manampahaizana ary ireo nanatrika rehetra tamin’ity dinidinika ity moa dia hoentina amin’ireo manampahefana fa tsy hatao resabe fotsiny. Aorian’izay dia hiteraka politikam-pampandrosoana hiainga eny ifotony izany htahaka ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fandrodanana tanteraka ny resdaka adim-poko.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT