Dossier

Fananana tsy ara-drariny Andrasana ny fandaniana ny lalàna


  • Zoma 07 Septambra 2018

Ny mpiara-miasa ara-teknika sy ara-bola dia mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny Parlemanta amin`ny fandaniana ny lalàna momba ny fanarenana ny fananana tsy ara-dalàna.

Anton’ny tolo-dalàna dia tsy nampandalovina teo ireo parlemanta roa hatramin'ny nanolorana azy voalohany tamin'ny taona 2016. Tamin`ity taona ity, nahemotra foana ny fandinihana ny volavolan-dalàna nandritra ireo fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Manahy hatrany ireo mpamatsy vola toy ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho amin`ny fampandrosoana (PNUD) amin`ny tsy fandaniana an`izany. Ahiana ho ao anatin`ny lisitra mainty eo anivon`ny vondrona amin`ny fifandraisana sy ny fampandrosoana ara-toekarena (OCDE) i Madagasikara. Raha izay no mitranga dia ho tapaka ny fifandraisana amin`ny any ivelany eo anivon`ny seranan-tsambo Malagasy. Marihina fa ny taona 2016, nandalo im-pito teny amin`ny Antenimieram-pirenena io volavolan-dalàna io saingy tsy misy fandaniana. Noho izany, tsy afa-miala intsony ireo parlementera manoloana ny fepetra mety horaisin`ny OCDE raha toa ka minia tsy handinika ny lalàna mandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa amin`ny volana oktobra ho avy izao.

 

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT