Dossier

Fananana tarehimarika mitombona sy vaovao Manampy ny fanjakana amin’ny fanapahan-kevitra raisina


  • Zoma 23 Novambra 2018

Andro iraisam-pirenena ho an’ny statistika omaly 22 novambra ary nankalaza izany i Madagasikara tetsy amin’ny Solimotel Anosy. Ezahina ampahafantarana ny vahoaka ny zava-misy indrindra ireo tarehimarika marobe vaovao sy efa vita fanadihadiana ao amin’ny ivontoeram-pirenena momba ny Antontanisa (Instat).

 

 Nisy araka izany ny fampiratiana tarehimarika maro be ka anisan’izany ohatra ny fivoaran’ny tahan’ny kolikoly, ny tontolon’ny  fanabeazana eny hatramin’ny fandriam-pahalemana. Tsiahivina fa misy ny lalàna 2018-004 izay manasazy ny olona manome vaovao diso na tarehimarika tsy mitombona ka miteraka olana sy mandiso ny fanapahan-kevitra raisin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Nanambara ny minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana, Napetoke Marcel Arsoanaivo fa zava –dehibe ary tena misy ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny orinasa n any olon-tsotra manome vaovao sy tarehimarika ao amin’ny Instat. Amin’izao dia misy mihitsy ny ezaka ataon’ny Instat amin’ny fanarahana ny fomba manaraka ny kalitao ahafahana manana sy mitazona tarehimarika marina sy mitombona ka mirindra tsara amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana amin’ny lafiny maro. Ankoatr’izay dia tena ilaina ny ihany koa ny fananana antontanisa vaovao sy marina satria ireny ihany no fakafakaina sy hamarinin’ny mpamatsy vola ka mahatonga azy hanome na hand any famatsiam-bola ataony. Tena manampy be amin’ ny fanaraha-maso atao amin’ny asam-panjakana ihany koa ny antontanisa omen’ny Instat tahaka izao satria naranty tao avokoa ny tarehimarika tsara ho fantatra manodidina izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT