Dossier

Fananan-tany eto Madagasikara Mbola ambany ny hetra ampidiriny


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Miditra tanteraka amin’ny fanatontoloana amin’izao fotoana izao ny firenena afrikanina. Io sehatra io nefa no vao mainka mampahantra hatrany indrindra ireo firenena marefo ara-toekarena tahaka an’i Madagasikara.

 

Nisy izao ny fifanarahana nataon’ireo firenena afrikanina indrindra ny any Andrefana niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina ny amin’ny fampidinana ny haban-tseranana izay anisan’ny mampidi-bola betsaka amin’ny fanjakana. Rehefa manao ireny fifanarahana ireny dia mila mitandrina tsara ny firenena, indrindra ny aty Afrika sao dia ry zareo matanjaka hatrany no mahazo tombony. Raha manao ireny karazana fifanarahana ireny i Madagasikara dia mila mijery sehatra hafa hanentsemana ny ho mety ho lavaka amin’ny vola tokony hiditra. Soa aloha fa mbola misy hatrany ireo sehatra tsy voatrandraka kanefa tokony hampidi-bola be amin’ny resaka hetra. Anisan’izany ny sehatra fananan-tany izay mbola hanjakan’ny tsy ara-dalàna sy ny kolikoly kanefa tokony hampidi-bola be ara-ketra amin’ny fanjakana. Mila mametraka politika mazava amin’ny ady mahakasika ny fananan-tany sy ny fikarakarana ny titra sy ny kadasitra fotsiny ny fanjakana. Rehefa  ara-dalàna sy mandeha amin’ny tokony ho izy izany rehetra izany dia ho mora ny fampihenana ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fanangonan-ketra atao amin’ny sehatra fananan-tany. Amin’izay fotoana izay dia sady hahazo tombony ny vahoaka amin’ny fanamorana ny fananan-tany fa indrindra ihany koa hihatsara ny fampidiran-ketran’ny fanjakana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT