Dossier

Fanampiana an’i Madagasikara Efa an-dalana ny famatsiam-bolan’i India


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Efa eo an-dalam-pijerena ny momba ny fanampiana nangatahan’ny governemanta Malagasy i India, araka ny tatitra nataon’ny Ambasadaoro Subir Dutta tetsy amin’ny foibeny Tsaralalàna. 80, 7 tapitrisa dolara na 271 099 545 000 Ariary (1dolara=3359,35Ar) izy io, hanampiana amin’ny sehatra fambolena.

 Nanazava Andriamatoa Subir Dutta fa miankina amin’ny tetikasa asehon’ny firenena tsirairay no hanomezan’izy ireo ny fanampiana. Taorian’ny fanampiana namitana orinasa mpamokatra zezika nanomezana 2,5 tapitrisa an’i Madagasikara tamin’ny 2009 dia tsy nisy tetikasa vaovao intsony. Amin’izao fotoana dia hamafisina ny fiaraha-miasa ary efa an-dalam-pamolavolana ny fanampiana homena an’i Madagasikara i India. Fanampiana ho fampandrosoana ara-toekarena ary miainga amin’ny laharam-pahamehana atolotry ny fanjakana Malagasy. Miezaka ny manakaiky an’ny firenena afrikanina i India ary omaly aza moa dia nihaona tamin’ny parlemanta ao Ouganda ny praiminisitra India Narendra Modi. Manoloana ny fihoaran’i India an’i Frantsa eo amin’ny laharana amin’ny hery ara-toekarena maneran-tany dia nilaza mazava ny ambasadaoro fa efa 20 taona lasa no niomana mafy ary niompana be dia be tamin’ny fampandrosoana ny olona tsirairay mihitsy ny firenena. Rehefa izay dia niasa mafy ny vahoaka iray manontolo ka nahatazona hatrany ny fitomboan’ny harinkarena ho 7 hatramin’ny 8% tanatin’ny taona maro. Mila maka tahaka ny firenena matanjaka tahaka itony ny mpitondra fa tsy faly hangata-bola mandrakariva tahaka ny mahazatra.  

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT