Notanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny Banky Afrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Vondrona Eoropeanina ary ny Governemanta Malagasy.
Famatsiam-bola mitentina 39,2 tapitrisa Euro na 160 520 864 000 Ar (1euro=4094,92 Ar) no nomena an’i Madagasikara mba ahafahana manatanteraka ilay tetikasa PACFC (Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce). Voakasika amin’izany ny any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ka tanjona ny tsy hampitokana-monina, indrindra ny hanamorana ny varotra sy ny fandraharahana. Fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotry ny firenena Malagasy ao amin’ny tsena iraisam-pirenena SADC sy COMESA ihany koa ny antom-pisian’ny tetikasa. Mitentina hatrany amin’ny 217 tapitrisa dolara na 799 430 170 000 Ar (1dolara=3684,01Ar) ny fanatanterahana ny PACFC mandritra ny 5 taona (2019-2024) ka ny 90 tapitrisa dolara na 331 560 900 000 Ar dia famatsiam-bola efa azo avy amin’ny BAD. Tafiditra amin’izany ihany koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN9 sy ny RN12A any Atsimo Atsinanana izay mampifandray an’i Vangaindrano, Masianaka ary Fort-Dauphin. Vinavinaina hatrany amin’ny 3 tapitrisa mahery ny mponina voakasik’ity tetikasa goavana ity ary sehatra maro no hilofosana. Anisan’izany ny fambolena, ny jono, ny fizahantany izay hanatsarana hatrany ny sehatra ara-barotra sy ny fandraharahana. Amin’ny fiafaran’ny tetikasa dia tombanana hatrany amin’ny 300 ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) any amin’ny faritra, izay ahitana 5000 olona eo ho eo ho afaka hisedra ny tsena iraisam-pirenena ary ny 50% amin’izany dia ezahina ho vehivavy avokoa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.