Dossier

Fanamboarana fotodrafitrasa aty Afrika 60 miliara dolara no nomen’ny Sinoa


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Nanambara ny filoham-pirenen’i Sina Xi Jinping fa tsy hitsabaka mihitsy amin’ny raharaha anatin’ny firenena afrikanina ampiany nandritra ny fikaonan-doha lehibe natao tany aminy tamin’ny farany teo.

 

 

Nomarihiny kosa fa fanampiana hanaovana sy hananganana ary hanatsarana fotodrafitrasa tahaka ny lalana, ny seranan-tsambo no homen’izy ireo. Momba ny fanakianana ny amin’ny fanabokana firenena sasany amin’ny fanomezana trosa be dia nanome toky i Sina fa hisy ny fanamaivanana ny amin’ny famerenam-bola ho an’ireo firenena ahitana fatiantoka ara-barotra (déficit commercial). Hita ho fetsy hatrany ry zareo kely maso sy tena mahafantatra ny harena be misy aty Afrika ary efa miezaka mitsinjo ny any aoriana. Mihazakazaka be koa moa ny fandrosoana ara-toekaren’ity firenena ity ary amin’izao fotoana dia miezaka mihitsy izy ireo mitady firenena hampiasany ny volany. Tsy vitan’ny hoe : firenena mahantra tahaka ny aty Afrika ihany no ampiana fa efa mitady ireo firenena matanjaka ihany koa i Sina. Raha eto Madagasikara manokana dia efa tena misisika sy mihamaro hatrany ny fampiasam-bolany saingy mampitaraina ireo mpiasa Malagasy maro kosa ny karama sy ny fitondrana izay tena tokony mila jeren’ny fanjakana haingana.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT