Ny orinasa Total Oil Trading SA na ny TOTSA irery manomboka ny sabotsy lasa teo no manafatra ny solika avy any ivelany eto Madagasikara.
Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny volana desambra 2019 lasa teo ny nanapahana fa orinasa iray io ihany no hanafatra ny solika. Io orinasa io araka izany no nahafeno ny fepetra tamin’ny antso tolo-bidy natao ka izy irery ihany manomboka izao no mividy sy hamatsy ny solika eto Madagasikara. Misy ny tombony amin’ny fanafaran’ny orinasa iray monja ny solika rehetra eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny Mpahay toekarena eo anivon’ny CREM, Rakotobe Vololonirina. Raha eo amin’ny lafiny sarany sy ny fifaninanana dia tsy hisy fiovana loatra izany ary mety hitovy daholo ihany, hoy izy ny vidin-tsolika. Na izany aza dia mety hisy kosa ny fidinam-bidy kely satria orinasa iray ihany no hanafatra ny solika. Raha tamin’ny taloha mantsy dia orinasa 4 samy nanao fanafarana avokoa ary kely ny entana hafaran’ireo 4 ireo. Amin’izao fotoana izao dia orinasa iray ary betsaka ny fanafarana hatao ka mety hisy fidinana kely ny fakana izany. Tombantombana ihany izany, hoy izy fa ny fanavaozana ireo fotodrafitrasan’ny solika izay efa tena ratsy no mety hiteraka fihenam-bidy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.