96 miliara Ariary ny famotsiam-bola na fanadiovana vola maloto hita tamin’ny taona 2016. Niakatra ho 223 miliara Ariary tamin’ny taona 2017, araka ny tarehimariky ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN).
Resahina foana anefa ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Vao tamin’ny 21 martsa teo no nolaniana tao amin’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna 54/2017 momba izany. Araka ny lalàna N°2004-020 tamin’ny 19/08/2004 momba ny famotsiam-bola dia tompon’andraikitra tanteraka ny banky ny amin’ny fanaraha-maso ny mpanjifany, indrindra ny amin’ny vola mivezivezy ao aminy. Araka izany, tsy maintsy manao fanambarana any amin’ny SAMIFIM izy ireo raha misy trangan-javatra mampiahiahy hita amin’ireo mpanjifa izay manao fifanakalozana ao aminy. Efa misy rahateo sampandraharaha manokana misahana ny fanaraha-maso eny amin’ireny banky ireny. Misy ihany koa ilay taratasy fanambarana (fiche de déclaration d’opération suspecte) izay tsiambaratelo eny amin’ny mpiasan’ny banky ka raha misy tranga hafahafa dia tsy maintsy fenoina ary alefa haingana any amin’ilay sampandraharaha manokana mpanara-maso. Ity farany kosa no manao tatitra mankany amin’ny SAMIFIN. Misy ireo tranga ahafantarana avy hatrany ny fisian’ny famotsiam-bola tahaka ny fifanakalozana atao amin’ny olona maromaro izay tsy fantatra mazava ny fifandraisan’ny fandraharahana amin’ny tompon’ny kaonty. Ao ihany koa ny fifanakalozana atao izay tsy mifandray amin’ny asa notenenina, ny fandefasana vola mankany amin’ny firenena malaza ho mpampihorohoro. Misy koa anefa ireo fifanakalozana atao mety hisian’ny famotsiam-bola saingy sarotra ny manamarina azy. Ao koa ny fifanakalozana mitsitapitapy (opération fractionnée) izay atao hialana amin’ny fanamarinana ataon’ny banky. Rehefa misy mantsy fifanakalozana mihoatra ny 50 000 000 Ariary dia tsy maintsy fantarin’ny banky ny fiaviana sy ny lalan-kalehan’ny vola, indrindra ny mombamomba ireo mpandray anjara. Ny olana, rehefa vitan’ny SAMIFIN ny asany, izany hoe voamarina fa misy famotsiam-bola ka ampiakariny any amin’ny fitsarana ny raharaha (chaine penale), any no hisian’ny kolikoly avo lenta dia tsy misy tohiny intsony ilay afera, io ilay hoe“dossier classé”.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.