Nampahafantarina omaly talata 19 febroary tetsy amin’ny Hotely Colbert ny valin’ny fanadihadiana andiany faharoa nataon’ny tambajotra Afrobaromètre tamin’ny taona 2018.
Nisongadina tamin’ity fanehoana faharoa ity ny lohahevitra 4 dia ny kolikoly, ny demokrasia, ny miralenta ary ny sehatra fahasalamana eto Madagasikara. Ny tsy fandriampahalemana sy ny fampianarana no natao tamin’ny Afrobaromètre andiany voalohany. Miisa 1200 manerana an’i Madagasikara ny ampahan’ny olona natao fanadihadiana tamin’ity ary manaraka ny fenitra sy ny fikirakirana ny antontanisa, niaraha-niasa tamin’ny INSTAT. Voasolo tena avokoa ny faritra ary tanjon’ity tambajotra mahenika firenena 36 ity ny hamokatra antontanisa azo antoka hoentin’ny mpisehatra rehetra handraisana fanapahan-kevitra mba ho tojo fampandrosoana. Mikasika ny kolikoly dia Malagasy miisa 3 amin’ny 4 no nilaza nandritra ny fanadihadiana fa nitombo ny fanaovana kolikoly teto amin’ny firenena. Ny polisy sy ny zandary ary ny mpitsara no voalaza fa mpanao kolikoly eto Madagasikara, hoy ireo namaly ny fanontaniana. Momba ny demokrasia indray dia nilaza ny valin’ny fanadihadiana fa 38% amin’ny Malagasy no nanambara fa tsy misy demokrasia eto Madagasikara. Tsara kosa ny vokatra teo amin’ny miralenta satria efa miroso amin’izay ny firenena. Ohatra ny fitovian’ny lahy sy ny vavy misitraka ny fahasalamana. Niara-niaiky ihany koa ny lahy sy vavy natao fanadihadiana fa mila omena sehatra kokoa ny lehilahy raha tsy ampy ny asa eto Madagasikara. Nambarany fa tokony hosahanin’ny vehivavy ny fikarakarana ny tokantrano sy ny zaza. Mijanona eo amin’ny fanadihadiana sy ny fanomezana antontanisa mitombina ihany ny Afrobaromètre fa ny fanjakana no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.