Dossier

Fampivoarana ny toekarena Niditra ao amin’ny AFC i Madagasikara


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Tafiditra mpikambana anatin’ny Africa Finance Corporation na AFC i Madagasikara.

 

 Vita omaly talata 27 aogositra teny Antaninarenina tamin’ny alalan’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto ny fifanaovan-tsonia izay maha mpikambana ny firenena Malagasy ao. Tanjona ny hampiakarana ny harinkarena faobe ho 5,2% amin’ity taona ity raha 4,2% sy 5% izany tamin’ny taona 2017 sy 2018. Ny fiakaran’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina dia anisan’ny sehatra iray nahatsara sy nahazoana fitomboana sy vokatra tsara ara-toekarena. Na izany aza anefa dia hita ho marisarisa hatrany ny fandraharahana sy ny fampiroboroboana ireo fotodrafitrasa eto Madagasikara. Ho vahaolana ny amin’izany ny fidirana mpikambana ao amin’ny AFC ary tetikasa maro toy ny lalana, ny fanorenana tanàna vaovao, ny fanatsarana ny sehatra angovo sy ny herinaratra no heverina hiditra anatin’ity fiaraha-miasa ity raha ny tatitra nataon’ny minisitra ny toekarena omaly. Maro rahateo ny firenena mpikambana anatin’ny AFC ary miisa 29 sahady izany ho an’ny Afrika fotsiny izay ahafahana hampitombo ny fivelaran’i Madagasikara amin’ny firenen-kafa, indrindra ny amin’ny fampiroboroboana ny sehatra famokarana hampiaingana ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT